Luke 10

1Ary taorian’ireny zavatra ireny, dia nifidy fitopolo lahy [Fanamarihana: Maro amin’ireo fandikana taloha tsara indrindra no mivaky hoe: “Fitopolo”, Fa ny sasany mivaky hoe: “roa ambi-fitopolo.”] hafa ny Tompo, ary nandefa azy ireny tsiroaroa nialoha Azy tany amin’ny tanàna rehetra sy toerana izay efa halehany. 2Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. Noho izany hangataho ny Tompon’ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho eny amin’ny vokatra.

3Mandehana amin’ny lalanareo. Jereo, alefako tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny ambodia ianareo. 4Aza mitondra fitoeram-bola, na fitoeran’entana, na kapa, ary aza miarahaba na iza na iza eny an-dalana.

5Izay trano hidiranareo, lazao aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’ity trano ity!’ 6Raha misy olon’ny fiadanana ao, dia hitoetra aminy ny fiadanana izay lazainareo, fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo izany. 7Mitoera ao amin’io trano io ihany, mihinana sy misotro izay omen’izy ireo, fa ny mpiasa dia mendrika ny karamany. Aza mifindrafindra trano.

8Fa amin’izay tanàna idiranareo, ka mandray anareo, hano izay aroso eo anoloanareo, 9ary sitrano ny marary izay ao. Lazao izy ireo hoe: ‘Efa manakaiky anareo ny fanjakan‘Andriamanitra.’

10Na oviana na oviana ianareo no miditra tanàna ka tsy mandray anareo izy ireo, dia mivoaha eny an-dalana ary lazao hoe: 11‘Fa na dia ny vovoky ny tanànanareo izay miraikitra amin’ny tongotray aza dia ho fafanay hanohitra anareo! Fantaro anefa izao: Efa manakaiky ny fanjakan‘Andriamanitra.’ 12Lazaiko aminareo fa amin’ny andron’ny fitsarana dia ho azo leferina kokoa ny an’i Sodoma noho ny an’izany tanàna izany.

13Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao, ry Betsaida! Fa raha ny asa lehibe izay natao tao aminao no natao tany Tyro sy Sidona, dia efa ela izy ireo no nibebaka, nipetraka tamin’ny lamba fisaonana sy lavenona. 14Fa ho azo leferina kokoa ny an’i Tyro sy Sidona amin’ny fitsarana noho ny aminareo. 15Ianao, ry Kapernaomy, mieritreritra ve ianao fa ho hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina midina any amin’ny Hadesy ianao.

16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy, ary izay mandà anareo dia mandà Ahy, ary izay mandà Ahy dia mandà ilay naniraka Ahy.”

17Niverina am-pifaliana ireo fito-polo, ka nilaza hoe: “Tompo, na dia ny demonia aza dia nanaiky anay tamin’ny anaranao.” 18Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Nijery an’i Satana nilatsaka avy any an-danitra toy ny tselatra Aho.” 19Jereo, fa efa nomeko anareo ny fahefana hanitsaka ny menarana, ny maingoka, ary ambonin’ny hery rehetran’ny fahavalo, ary na inona na inona dia tsy hisy handratra anareo amin’ny fomba rehetra. 20Na dia izany aza dia aza mifaly fotsiny amin’izany, hoa nanaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kokoa hoe voasoratra any an-danitra ny anaranareo.‘’

21Tamin’io fotoana io ihany dia nifaly tokoa tao amin’ny Fanahy Masina izy, ary niteny hoe: “Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao ireny zavatra ireny tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina, ary nambara tamin’ireo tsy manam-pahalalana, toy ny zaza madinika. Eny, Raiko, fa izany no ankasitrahana tsara eo imasonao.”

22Ny zava-drehetra dia nankinin’ny Ray tamiko, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay nosafidian’ny Zanaka haseho Azy.”

23Avy eo dia niodina teo amin’ireo mpianatra Izy ka nilaza mangingina hoe: “Sambatra izay mahita ireo zavatra izay hitanareo. 24Lazaiko aminareo, mpaminany sy mpanjaka maro no naniry ahita izay zavatra hitanareo, fa tsy hitan’izy ireo izany, ary aheno ireo zavatra renareo, fa tsy ren’izy ireo izany.”

25Indro, nisy mpampianatra ny lalàn’ny Jiosy iray nitsangana mba hitsapa Azy, ka nilaza hoe: “Mpampianatra o, inona no tsy maintsy hataoko mba handova ny fiainana mandrakizay?” 26Jesosy niteny taminy hoe: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Ahoana no famakianao izany?” 27Nanome valinteny izy dia niteny hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny fanahinao rehetra, amin’ny herinao rehetra, ary amin’ny fisainanao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.” 28Jesosy niteny taminy hoe: “Marina ny navalinao. Ataovy izany, dia ho velona ianao.”

29Fa ilay mpampianatra, naniry hanamarina ny tenany, dia niteny tamin’i Jesosy hoe: “Iza no namako?” 30Namaly azy Jesosy ka niteny hoe: “Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema ho any Jeriko. Izy dia azon’ireo mpandroba, izay nanendaka ireo fananana rehetra teny aminy, sy nikapoka azy, ary namela azy efa ho faty.

31Ary sendra nisy mpisorona nandalo tamin’izany lalana izany, ary nony nahita azy izy, dia nandeha teny am-pita. 32Toy izany koa ny Levita anankiray, rehefa nandalo tamin’ilay toerana ka nahita azy, dia nandeha teny am-pita.

33Fa nisy Samaritana anankiray, rehefa nandeha tamin’ny nalehany izy, dia tonga teo amin’ny nisy azy. Rehefa nahita azy izy, dia nitsetra azy. 34Dia nanatona azy izy ka namehy ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tamin’izany. Nampitaingenany ny bibiny izy, ka nentiny tany amin’ny tranom-bahiny, ary nokarakarainy. 35Ny ampitso dia naka denaria roa izy, ary nanolotra izany tamin’ny mpampiantrano, ary nanao hoe: ‘Karakarao izy, ary na ohatrinona na ohatrinona laninao mihoatra, rehefa miverina aho, dia ho efaiko.’

36Iza amin’izy telo ireo, araka ny eritreritrao, no naman’ilay azon’ny mpandroba?” 37Namaly ilay mpampianatra hoe: “Ilay iray izay naneho fiantrana azy.” Jesosy niteny taminy hoe: “Mandehana ary manaova toy izany koa.”

38Ary raha niara-nandeha izy ireo, dia niditra tao amin’ny tanàna iray Izy, ary nisy vehivavy iray antsoina hoe Marta nampandroso Azy tao an-tranony. 39Nanana rahavavy atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ary nandre ny teniny.

40Fa Marta sahirana be tamin’ny fikarakarana ny sakafo ho aroso. Nankeo amin’i Jesosy izy, dia nanao hoe: “Tompo, tsy mampaninona Anao ve ny namelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy.” 41Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Marta, Marta, manahy amin’ny zavatra maro be ianao, kanefa zavatra iray ihany no tena ilaina. Maria dia efa nifidy izay tsara indrindra, izay tsy ho esorina aminy.”

42

Copyright information for PltULB